Nindaosin’ny fahafatesana teo amin’ny faha-22 taonany, tamin’ny alahady 16 febroary 2020 teo teto Antananarivo,
Rajomaharo Nirina Rarivoson, fantatra teo amin’ny tontolon’ny baolina lavalava tamin’ny solon’anarana hoe : Dodabe.
Tao amin’ny klioba Ankoay no nanombohany nilalao, avy eo nifindra tao amin’ny USA Ankadifotsy izy. “Pillier” no toerana notazoniny tao amin’ity ekipa ity. Anisan’ireo mpilalao nandrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy latsaky ny 19 taona na XV Makis U19, andiany 2016 izy. Anio alarobia 19 febroary no haterina eny amin’ny fasan-drazany ny nofo mangatsiakan’ity mpilalao rugby vao erotrerony ity.
Izahay eto amin’ny gazety Tia Tanindrazana dia maneho etoana ny fiaraha-miory amin’ny fianakavian’ny maty sy ny tontolon’ny Rugby Malagasy ary mirary fiononana feno ho azy ireo.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.