Sport

Rugby Malagasy Nirodorodo any ivelany hihaza amboara


  • Alakamisy 01 Jolay 2021

Nanainga omaly Alarobia 30 jona 2021 ireo ekipam-pirenena Malagasy eo amin’ny taranja rugby izay ahitana ekipa telo.

 

 Miisa 83 ny mandrafitra ny delegasiona Malagasy ahitana mpilalao miisa 73, mpitabo 3, mpanazatra 3, lehiben'ny delegasiona 3, ary mpitsara 1. Nihazo an’i Côte d’Ivoire ny Makis sokajy lehilahy izay hiatrika ny lalao fifanintsanana hiadiana izay ho tompondaka erantany ho atao any Frantsa ny taona 2023. Nihazo an’i Kenya hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika kosa ny Makis sokajy Vehivavy sy ny Makis U20 sokajy Lehilahy. Nialoha ny fiaingana dia tonga nankahery sy nitso-drano ny Makis an'i Madagasikara tetsy amin’ny Kianja Maki Andohatapenaka ary nanome vatsin-dalana ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena Tinoka Roberto. “Tokana ny tanjona dia ny handrombaka ny amboara mba hamerenana ny hambopom-pirenena amin’ny alalan’ny Fanatanjahantena”, hoy ny Minisitra.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT