Sport

Rugby Malagasy “Miha tsara hatrany isan-taona ny taninketsa”


  • Alatsinainy 14 Martsa 2022

Mivoatra miha tsara foana isan-taona ny tontolon’ireo katitakely taninketsan’ny Rugby Malagasy miofana eo anivon’ny EREV na “Ecole de rugby, école de la vie” eto Madagasikara,

 hoy ny filohany, Bruno Ratsimbazafy, nandritry ny fijerena izany tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny sabotsy teo. Na ho anay mpikarakara na dia tsy afa-milaza aza izahay hoe tonga lafatra, na ho an’ireo ankizy, na ho an’ireo mpanabe, hoy izy. Tomban’ezaka nataon’ireo ankizy sy mpampiofana nandritry ny taona ny toy izao. Mihaona fara fahakeliny isan-kerinandro ireo. Na io mpamatsy vola anay io aza mahazo fahafinaretana mihitsy isaky ny mankaty. Izy moa no Pierre Lachaud, izay filohan’ny fikambanam-ben’ny mpanao asa soa SICAM. Ny SICAM moa dia orinasa isan’ny lehibe indrindra eo amin’ny lafiny herinaratra eto amin’izao tontolo izao. Afa-po foana izy mijery ary nilaza hoe raha tsy mahafinaritra ahy ny zavatra hitako tsy mankaty aho satria raha ny tena marina tokony tsy hanam-potoana ankanesana aty aho. Miodinkodina eo amin’ny 2500 isa eo foana ny ankizy raisinay, izay manomboka amin’ny sokajy “Poussin” hatramin’ny “cadet”, izany hoe 5 hatramin’ny 16 taona. Hatramin’ny taona 1992 nitsanganan’ny EREV izay dia saika avy ato daholo ny 90%n’ireo mpilalao teo anivon’ny ekipam-pirenena na “Makis de Madagascar”. Miisa 27 moa ireo ivon-toeram-pitaizana anatin’ny EREV, hoy hatrany ny fampahatsiahivana sy fanazavana, ary fanamby lehibe tiana hapetraka foana ny hamolavola tompondaka aty afrika aloha.
J. Mirija
Legende: Nafana ny ambiansy teny Andohatapenaka teny ny sabotsy teo
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT