Sport

Rugby Malagasy Maneho ny heviny ireo mpitia lavalava


  • Sabotsy 09 Septambra 2017

Manoloana ny disadisa eo anivon’ny taranja rugby izay tsy ahitam-bahaolana hatramin’izao dia niala tamin’ny fahanginany ireo mpitia ny lalao lavalava.

  Nambarany fa gaga izy ireo raha nandre ny teny nolazain’ny mpitantana Rugby aty Afrika nilaza fa mety ho tapaka ny fanampiana azon’ny Rugby Malagasy avy any amin’ny World Rugby na IRB raha mbola mitohy izao disadisa misy izao. Hay ve nisy volabe azo tany amin’ny IRB ka mba inona no vita tamin’izany hatramin’izay ? Nahoana ny kianjan’ny Makis eny Andohatapenaka aza no tsy mba nisy fanamboarana natao nefa rehefa tonga ny fotoam-pahavaratra dia fotaka mandrevo hatrany no hiainana eny ? Ireo ligy nifandimby hatrizay aza tsy mba nahazo anjara tamin’ilay volabe. Fa angaha tsy nolazain’ny Afrika Rugby indray fa mijabaka amin’ny andraikitra tsy tokony ho azy ny ministeran’ny fanatanjahantena Malagasy teo aloha nefa izao indray dia antsoina handray andraikitra handravona ny disadisa misy ? Nilaza koa ny iray tamin’izy ireo fa ananany porofo ny fisandohana andraikitra misy eo amin’ny fitantanana ny seksion’ny rugby Vakiniadiana.

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT