Sport

Rugby Malagasy Ho any Algerie ny Makis U 18


  • Sabotsy 05 Mey 2018

Efa nivoaka tamin’ny sabotsy 28 aprily 2018 teo ny anaran’ireo mpilalao handrafitra ny Makis U 18 hiatrika ny fiadiana ny “Jeux des Jeunes” taranja rugby à XV hotontosaina any Algerie amin’ny faramparan’ny volana mey izao na amin’ny tenatenan’ny volana jolay 2018. Efa nanomboka tamin’ny alatsinainy 30 aprily teo ny fampivondronana azy ireo.

Hiditra ao amin’ny toeram-piofanana lalao rugby vaovao etsy Andohatapenaka tsy ho ela ihany koa ny tanora mpilalao rugby Malagasy latsaky ny 16 taona.

Marihina fa taorian’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara farany teo dia ny fiadiana ny Amboaran’ny Filoha no hetsika handrasan’ny maro eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ka handraisan’ny avy any amin’ny Faritra anjara. Mbola hifanarahana, hoy ny “Directeur de Compétition” eo anivon’ny Malagasy Rugby, Razanatovo Lucien René, ny “Formule” hitondrana ny fifaninanana.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT