Sport

Rugby - Malacam Omby mifahy 5 no hiadiana amin’ny alahady izao


  • Sabotsy 23 Desambra 2017

Hafana dia hafana ny lalao rugby hotontosaina eny amin’ny kianjan’i Makis Andohatapenaka rahampitso alahady 24 desambra.

Omby mifahy 5 mantsy no hatolotry ny fikambanan’ny tanora mpanao rugby tarihan-dRanainabe ho an’izay mandresy amin’ireo lalao famaranan’ny “Coupe de Noël 2017”. Ao izany ireo famaranana D-1 hanomboka hikatrohan’ny FTN Nanouwah sy ny Lion’s, ny FBM Bemasoandro sy ny XV Black Andohatapenaka ary ny fihaonan’ny SCB Besarety ny Rosa Club Antohomadinika. Hisy ihany koa ny famaranana sokajy “Champion’s ligue” hifanandrinan’ny VTMA sy ny XV FA ny adin’ny USA sy STM. Ny maraina, mialoha ireo rehetra ireo anefa dia hisy ny lalao ankatoky ny famaranana D-1 hifanandrianan’ny JSAA Ampefiloha sy ny KMA Antetezana Afovoany.

 

Ntsoavina Evariste

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT