Sport

Rugby – Mada junior Nomen’Analamanga ny anjarany koa i DIANA


  • Alakamisy 07 Mey 2015

Nandresy hatrany i Analamanga tamin’ireo lalao telo natrehiny tafiditra amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara “junior”.


Hatreo amin’ny andro fah-3 natao omaly teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ary toy ny taona maro nifanesy izay dia mbola ny ekipan’Analamanga hatrany no misongadina sy manjakazaka amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara sokajy “junior”. Marihina fa ny FT Manjakaray no miaro ny voninahitry ny ligy mpampiantrano amin’ity andiany ity. Taorian’ny efa nanamontsanan’Analamanga an’Alaotra Mangoro (106-5) sy Atsimo Andrefana (45-7) dia nahazo ny anjarany koa omaly ny ekipan’i DIANA izay nomontsaniny tamin’ny isa mavesatra 80-7. Io lalao tokana io ihany no tontosa omaly satria tsy raikitra ny fihaonana teo amin’ny ekipan’Atsinanana sy Alaotra Mangoro. Resy tsy niady ary voatery niala an-daharana amin’ny fifaninanana mantsy ny ekipan’Ambatondrazaka izay voaporofo fa nampijoro mpilalao avy eny Ambohimanarina ary tsy afaka hanohy ny fifaninanana intsony. Ny Ekipan’Analamanga izany hatreto no tsara toerana indrindra amin’ireo ekipa dimy anaty vondrona tokana miatrika ny fifaninanana. Hiditra amin’ny andro fah-4 mialoha ny farany ny fifaninanana rahampitso zoma ka hihaona amin’io i DIANA sy Atsinanana. Ny alahady kosa ny andro faran’ny fifaninanana ka hanokatra ny fotoana ny fihaonan’i DIANA sy Atsimo Andrefana ary hiendrika famaranana ny fihaonana eo amin’Analamanga sy Atsinanana. Izy ireto moa dia samy tsy mbola resy mihitsy. Aorian’io dia hifanesy eny Andohatapenaka ny famaranan’ny vehivavy hifandonan’ny 3FB sy UASC. Ny tena andrasan’ny maro dia ireo manasa-dalan’ny Top8 ka hifampitana voalohany ny Cosfa sy IRC, harahin’ny lalaon’ny 3FB sy FT Manjakaray izay lalao famerenana ny famaranan’ny Top14.

Rasanda Serge

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT