Sport

Rugby – Mada junior Manjakazaka Analamanga


  • Talata 05 Mey 2015

Niditra tamin’ny andro fah-2 ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara sokajy “junior” ka lalao roa indray no notanterahina omaly teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Nandrombaka fandresena fanindroany tamin’izany ny ekipan’Analamanga izay hita fa manjakazaka toy ny mahazatra amin’ity sokajy

zandriny ity. Taorian’ny efa nanamontsanan’ity ekipa mpampiantrano ity tamin’ny isa mavesatra 106-5 ny ekipan’Alaotra Mangoro dia mbola nandresy mazava an’Atsimo Andrefana tamin’ny isa 45-7 indray izy ireo omaly. Taorian’ny nandavoan’ny ekipan’Analamanga azy tamin’ny andro voalohany kosa dia niarina ary nandrombaka fandresena voalohany omaly Alaotra Mangoro ka resiny tamin’ny isa 43-26 ny ekipan’i DIANA tamin’ny andro faha-2. Ekipa dimy ihany moa no miatrika ity fifaninanana nasionaly “junior” ity ka isaky ny roa andro no hanaovana ny fifaninanana izay anaty vondrona tokana. Ny alahady izao vao hifarana ity fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara zandriny ity, hifanindran-dalana amin’ny manasa-dalan’ny Top-8.

Rasanda Serge

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT