Rugby

Lasan'ny COSFA ny amboara


  • Alatsinainy 18 Desambra 2023

Tsy niady ireo lalao tafiditra amin'ny fiadiana ny Amboaran'i Madagasikara.

Teo amin'ny famaranana dia nazava ny fandresen'ny COSFA an-dry zareo USCAR. 32 noho 15 no isa nisarahan'ny roa tonta satria tsy nampiova n'inoninona ny baolina voatsaran'i Radadatoa tamin’iny minitra farany. Teo aminy fahavononana hiady anefa dia efa resy ry Basta izay nampifangaro ny angovo sy ny teknika hany ka mora tamin'i Rahery, Radaoro, Gervais ary Gino no nanilika ireto Fivondronana ireto. Lasan'ny miaramila izany ny Amboara lehibe raha nihanona tamin'ny laharana fahatelo ny FT Manjakaray izay tena romotra ary tsy nijanona raha tsy nandresy ny TAM Anosibe tamin'ny isa mavesatra 73 noho 10. Teo amin'ny vehivavy diviziona voalohany indray dia voahosotra ho tompondakan'i Madagasikara ny SC Besarety raha nandresy ny FTF Antohomadinika 17 noho 11. Tena niady ity famaranana ity satria samy nanana mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena ireto klioba ireto. Efa nahita tsirony amin'ny fandehanana any andafy ka tena mifantoka tsara daholo amin'ny fanazarantena. Efa mihatsara noho izany ny rugby vehivavy eto an-tanana fa mbola mety ho lasa lavitra noho izao raha mba misy mikarakara any amin'ny faritra. Ny olana anefa dia ny kianja satria tsy afaka hisitraka ireo kianja sintetika ny taranja rugby.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT