Rugby lalaovin' olona 7

Hiatrika ny tompon-daka eran-tany ny Makis


  • Alatsinainy 08 Jolay 2024

Tena mafy ireto Makis olona 7 ireto. Nandray anjara tamin'ny fifaninana tatsy amin'ny

nosy Maorisy ireo Makis ary nifarana omaly izany. Vokatra tena tsara no azo satria dia tompodaka lefitra eto Afrika ny Malagasy raha ny Ouganda no mitana ny lohalaharana. Tafita any amin'ny fiadiana izay ho tompondaka eran-tany hatao any Dubaï ny volana janoary 2025 izao izany ny Makis. Na dia mbola tsy fantatra aza izay ho vokatra azo dia azo lazaina sahady fa fahombiazana ho an'ny rugby eto Madagasikara izao. Inoana marimarina kokoa fa hanao tsy omby aloha indray ireo mpanohana miampy mazava ho azy ireo sakaizan'ny mpandresy. Tsy maninona izany fa raha dieny izao dia efa miomana dia inoana fa hihatsara hatrany ny vokatra. Mandra-piandry aloha dia ity ny filaharana nandritra ny fiodinana faharoa izay mametraka ny Malagasy eo amin'ny laharana fahatelo saingy rehefa natambatra amin'ny fiodinana voalohany dia lasa faharoa ny Makis. Afaka nandrafesana ny dingana vita anefa ity vokatra tany Maorisy ity.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT