Rugby - Ladies Makis

Maro ny ezaka mbola mila atao


  • Alatsinainy 13 Mey 2024

Resy ny Ladies Makis omaly. Resy 17 noho 46 nanoloana ny Springbok Afrika Atsimo.

Na izany aza dia tafita hiatrika ny Amboara eran-tany WRXV 3 any Dubaï ny Malagasy raha any Angletera WRXV 2 kosa ry zareo Afrika Atsimo.Ny tena sangany eran-tany eo amin'ny rugby vehivavy kosa dia hifamotoana any Canada.Kilasy fahatelo izany no misy ny Ladies Makis ary izay no hikazana hoe mbola tena lavitry ny afo ny kitay. Ny lalao omaly na dia betsaka aza ireo mpanohana no tonga dia afaka nandrefesana ny dingana mbola ho lalaovin'ny Makis vehivavy.Vao 8 minitra monja dia efa nanokatra ny isa ny Afrika Atsimo ary fahaefatradiny dia 22 noho 0 ny isa teny amin'ny tabilao. I Sophie no nanindry ny baolina voalohany ho an'ny Makis fa vao maika romotra ny Springbok. Tsotra anefa ny endri-dalao nataony dia ny mamoaka baolina ary manosika be tonga any anaty faritry ny Makis dia manindry. Manam-batana sady matanjaka rahateo ry zareo ka tsy nisy azo natao. Fenitra kapiteny aza navoaka tsy lera (18mn) fa tena valaka.Efa nampilalao ireo mpisolo-toerana fotsiny sisa ny Afrika Atsimo vao mba nahita irika kely ny Malagasy ary lasa 17 noho 46 ny isa farany teny amin'ny tabilao . Raha mijery ireo vahoaka marobe tonga anefa dia fandresena ihany iny hoan'ny ekipan'i Marcel Rakotomalala satria tsy an-jaza koa ny vidim-pidirana fa nanaraka ny toetrandro satria dia 10000 sy 5000 ariary ary 2000 ariary ho an'ny ankizy.Teo amin'ny Lalao voalohany dia tesin'ny Kenya 39 noho 17 ry zareo Kamerone.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT