Sport

Rugby - Komity teknika federaly Nikarakara lalao nisesy teny Andohatapenaka


  • Alatsinainy 11 Septambra 2017

Roa andro nisesy dia ny sabotsy 9 sy ny alahady 10 septambra 2017 no nanarahan’ny mpankafy baolina lavalava ireo lalao nokarakarain’ny komity teknika federaly teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka.

Tazana teny an-toerana nanotrona sy nanara-maso  ireo lalao ny filohan’ny Malagasy Rugby, Rakotomalala Marcel, izay nanipika fa olona nifanerasera taminy tao amin’ny federasiona avokoa izy efatra mirahalahy nanakiana ny amin’ny vola azo tany amin’ny World Rugby hatramin’izay. Ambarako etoana, hoy izy, fa nisy tatitra mazava nalefa tany amin’ny IRB tamin’ny fandaniana ireny vola azo ireny ka nankatoaviny an-tsakany sy an-davany izany. Nisy ny fampiroboroboana ny rugby Malagasy ifotony tsapany matoa izy hampitombo avo roa heny ny fanampiana homeny amin’izao ho avy raha milamina ny tontolon’ny rigby eto amintsika. Isika Malagasy no tokony ho nitana ny laharana 1 teo amin’ny sehatry ny fampiroboroboana ny taranja rugby maneran-tany fa tsy ry zareo Pakistaney noho ny tsy filaminana nisy teto amintsika.

Voka-dalao azo tamin’ny sabotsy sy alahady teo teny Andohatapenaka :

D-2 vehivavy : Crai 12 – 12  XV Beravina. Elite Réginale : Scb 14 - 10 Ftba ; Jca 3 - 9 Tmaa ; Cpi 10 – 6  Fitamiba ; Mang’Arts 5 - 6 Rosa ; Lions 5 - 12 Nanouah. Elite Fédérale : Cosfa 25 – 11 3F5 ; Uirc 20 - 5 XV ; Ftm 52 - 5 XV Fa ; Usa 21 - 23 Stm.

 

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT