Sport

Rugby Kianja Makis Nanatrika teny an-toerana i Daniel Blondy


  • Alatsinainy 04 Desambra 2017

Niditra teo amin’ny andro faha-9 ny fifaninanana ny lalao rugby D-1 Elite Fédérale karakarain’ny “Comité Technique Fédérale” tantanan’Atoa Randrianarisoa Rija notontosaina teny amin’ny kianjan’i Makis Andohatapenaka omaly alahady 3 desambra 2017.

Tazana nanatrika ny fihaonana teny an-toerana Atoa Daniel Blondy filoha am-perinasan’ny AROI na ny Association Rugby de l’Océan Indien. Nambarany tamin’ny resadresaka nifanaovana taminy fa havadika ho “Championnat regional” ny fifaninanana CCCOI Rugby natao teo aloha mba hampakarana ambony ny lentan’ity taranja ity aty anivon’ny Ranomasimbe Indiana izay hita fa somary mihen-danja kely ny haavo teknika tao ho ao. Ny 10 martsa 2017 ka hatramin’ny 13 aprily 2018 no hanatanterahana ny hetsika ka ekipa 2 avy aty Madagasikara no handray anjara amin’izany miampy ekipa 2 avy atsy La Réunion sy ekipa 1 avy any Maorisy ary ny ekipa voafantin’i Mayotte. Hozaraina vondrona 2 izy ireo ka hanao lalao mandroso sy miverina isam-bondrona ary izay tafavoaka voalohany isam-bondrona no hiatrika ny lalao famaranana amin’ny 13 aprily 2018.

 

Voka-dalao omaly alahady teny Andohatapenaka :

 

Ftm  83 – 15  Uirc  ;  XV Avenir  03 – 00 XV Fa  ;  Stm  45 – 24  Jsta  ;  Cosfa  52 – 9  Vtma  ;  3F5  3 – 22  Ikopa.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT