Sport

Rugby - Kianja Makis Miezaka mihoitra ireo fileovana madinidinika


  • Alatsinainy 21 Aogositra 2017

Mitohy hatrany ireo lalao tafiditra amin’ny fiadiana ny ho tomonpondakan’Analamanga Diviziona Elite tontosain’ny “Comité Technique Fédérale”

miaraka amin’ny Malagasy rugby eny amin’ny kianjan’ny Makis eny Andohatapenaka. Nambaran’i Andry mpanazatra ny fileovana 3F 5 Amboditsiry teny amin’ity kianja ity omaly fa ny filalaovan’izy ireo miaraka amin’ireo ekipa lehibe efa sangany ao anatin’ity fifaninanana ity dia ahafahan-dry zareo  mandrefy ny fahaizan’ny ekipany aloha voalohany indrindra ary koa ahafahany koa manazatra an’ireo boaikely ao aminy miatrika lalao goavana. Efa miezaka ny mba handresy foana izahay amin’izany, hoy ity mpanazatra ity, ary miady ihany koa ny tsy hisian’ny elanelan’isa be intsony toy ny teo aloha.

 

Vokatra azo tamin’ny lalaon’ny Division Elite omaly alahady 20 aogositra :

Jsta 28 – 19 Uirc  ;  Stm 25 – 15 XV Avenir  ;  Tma 11 - 41 Us Ikopa  ;  Usa  70  - 07 3F5  ;   Cosfa 28  - 40 Ftm.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT