Sport

Rugby iraisam-pirenena tetsy Mahamasina Lavon’ny Makis Junior 39-35 ny Oxford University Angleterre


  • Alatsinainy 17 Septambra 2018

Tafiditra ao anatin’ireo firenena handalovany hanatanterahana ny hetsika “Tour Rugbystique d’OXFORD University RFC” ity oniversite any Angleterre ity ka lalao 2 no voafaritra hotanterahiny eto amintsika dia lalao sedra notanterahina omaly 16 septambra tetsy Mahamasina

 

 

 

nifanandrinany tamin’ny ekipan’ny Makis Junior Malagasy ary ny lalao hifanatrehany amin’ny Makis senior amin’ny alahady 23 septambra ho avy izao mbola etsy Mahamasina ihany. Nohararaotin’ny Malagasy Rugby ity hetsika ity, araka ny fanazavana azo teny Mahamasina, nanasisihana ny lalao famaranana sy fiadian-toerana tamin’ny fiadiana ny “Amboaran’ny Filoha 2018” ka nanoloan’ny minisitry ny fanatanjahantena, Faratiana Tsihoara Eugène, tena ny filoham-panjakana, Rivo Rakotovao sy ny praiminisitra, Ntsay Christian tamin’izany. Nambaran’ity minisitra ity tetsy Mahamasina taorian’ireo fihaonana fa mahavelom-bolo ny taranja rugby eto amintsika raha tarafina tamin’ireo lalao natrehana tamin’io omaly alahady io. Niady avokoa ireo lalao natrehana teto Mahamasina, hoy izy, fa nanam-piniavana ny handresy ny Makis Malagasy ka nahazo an’iny fandresena iny tamin’ny farany. Tsy latsa-danja koa ny lalao famaranana nihaonan’i Manjakaray sy ny Savonnerie teo, hoy izy, fa nampitaintaina hatramin’ny farany.

Vokatra azo tetsy Mahamasina omaly : Fiadian-toerana faha-3 : Cosfa 25 – 19 Ftba ; Makis Junior 39 – 35 Oxford University Rfc  ;  Ftm 48 – 40 Stm.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT