Sport

Rugby – Gold Top8 Hifandona amin’ny manasadalana ny Cosfa-IRC sy FTM-3FB


  • Alatsinainy 27 Aprily 2015

Boaty telo dia ny Cosfa, IRC ary 3FB sy kartie tokana dia ny FTM no tafita hiatrika ny manasadalan’ny Top-8 araka ny vokatra taorian’ny andro fah-3 natao ny alahady teo teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka.

 Raha ny vokatra dia lavon’ny Iarivo RC tamin’ny isa 20-17 ny STM. Ny TF Manjakaray kosa nanilika an’ny UASC tamin’ny isa 26-20 ary efa nitarika 14-12 ny ekipa tompondakan’ny Top14 hatreo ampialantsasatra. Tamin’ny moka fohy 24-23 kosa no nanintsanan’ny TFMA Ankasina an’ny TFA Anatihazo na dia efa nitarika 8-0 aza ity farany teo ampialantsasatra. Tamin’ny isa tery dia tery 29-27 ihany koa no nandavoan’ny 3FB an’ny Cosfa ary mbola ny miaramila no nitarika 16-13 teo ampilantsasatra. Hifandona amin’ny manasadalana izay hatao ny 3 mey izany andaniny ny Cosfa sy IRC ary ankilany ny FTM sy 3FB. Tafita hiady ny famaranan’ny sokajy vehivavy kosa ny 3FB sy UASC. Ny ekipan’ny fahasalamana moa omaly dia nanilika an’ny SCB Besarety 12-5 ary ny Besetroka kosa efa nandavo an’ny FTFA tamin’ny andro voalohany tamin’ny herinandro.

Rasanda Serge

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT