Sport

Rugby Gold Top 8 Ny Ftm sy Cosfa no hiatrika ny famaranana


  • Alatsinainy 22 Janoary 2018

Tontosa soa aman-tsara teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka omaly alahady 21 janoary 2018 ireo lalao ankatoky ny famaranan’ny lalao rugby à XV “Gold Top 8” na fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara karakarain’ny Malagasy Rugby.

 

Tafavoaka ho mpandresy tamin’izany ka hiatrika ny lalao famaranana izay ho tanterahina amin’ny alahady 28 janoary 2018 izao (azo antoka fa ho etsy Mahamasina) ny Ftm Manjakaray nandavo ny Stm Savony 32-23 sy ny Cosfa Miaramila nandresy ny Usa Ankadifotsy tamin’ny 17-15. Na dia nafotaka ara-bakiteny aza ny filalaovana tao anaty fotaka sy tao anaty ora nikija tamin’ireo lalao ireo dia tsy nisy niala mihitsy na ireo mpilalao na ireo mpijery niaritra hatramin’ny farany an’izany orana izany ary koa ny manam-pahefana nahitana ny minisitry ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa mivady notronin’ny filohan’ny Malagasy Rugby.

 

Vokatr’ireo lalao rehetra teny Andohatapenaka omaly :

 

Lalaon’ny vehivavy

 

Sab Nam 24 – 07 Crai  ; Ftm 08 – 00 Ftfa

1/2-famaranana Gold Top 8

Ftm 32 – 23 Stm  ;  Cosfa 17 – 15 Usa

 

Ntsoavina Evariste

Fihaonan’ny Cosfa sy Ankadifotsy tao anaty orana omaly

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT