Sport

Rugby Gold Top 20-2019 Lasan’ny Cosfa ny amboara sy lelavola 4.000.000 Ar


  • Alatsinainy 10 Febroary 2020

Lasan’ny ekipan’ny Cosfa Miaramila rugby ny amboaran’ny fifaninanana Gold Top 20-2019 sy ny lelavola 4.000.000 Ariary

 

 

niaraka taminy ary voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara taona 2018/2019 ihany koa izy ireo tamin’izany. Lavony tamin’ny moka fohy 28-27 ny TFAnatihazo omaly alahady 09 febroary 2020, teo amin’ny lalao famaranana notontosaina teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka izay hipoka olona tanteraka. Amboara kelikely kokoa noho ny azon’ny Cosfa no natolotra azy ireo ary koa lelavola mitentina 2.000.000 Ar. Marihana fa ireto ekipa roa tonta ireto no hisolotena an’i Madagasikara amin’ny  fifaninanana Rugby CCCOI hotontosaina manaraka. Notolorana amboara sy lelavola mitentina 750.000 Ar kosa ny mpilalao mendrika indrindra tamin’ny fifaninanana dia i Patrick avy amin’ny Tfa Anatihazo. 550.000 Ar kosa niampy amboara no natolotra an’Mika avy amin’ny Ftm Manjakaray.

Ny  fileovana Uasc Cheminots sy ny Mang’Art Manjakaray no tafita hiatrika ny manasa-dalana amin’ny sokajy Federaly 2.

Voka-dalao rehetra tetsy Andohatapenaka omaly :

Ftvl Lalamaty 49 - 13 Crai Ambalavao Isotry

Ankatoky ny Famaranana sokajy Federal 2

Fbm Bemasoandro 20 - 44 Uasc Cheminot

Soe Stade 18 - 24 Mang’Art Manjakaray

Famaranana Gold Top 20 sokajy Federal 1

Tfa Anatihazo 27 - 28 Cosfa Miaramila

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT