Sport

Rugby Gold Top 20-2019 Ho raikitra ny manasa-dalana amin’ny alahady


  • Zoma 17 Janoary 2020

Araka ny nambaran’ny eo anivon’ny Malagasy Rugby dia tena ho raikitra ireo lalao manasa-dalana eo amin’ny fifaninanana Gold Top 20-2019 hotontosaina

 

 

eny amin’ny kianja Makis eny Andohatapenaka ka anisan’izay lalao tena handrasan’ny mpitia lavalava ny fihaonan’ny Cosfa rugby miaramila sy ny Ftm Manjakaray. Samy hanala vela avokoa ny roa tonta amin’ity fihaonana ity fa ny Ftm hanala vela tamin’ny nandresen’ny Cosfa azy teo amin’ny famaranana Gold Top rugby tamin’ny taon-dasa 2018 ary ny Cosfa kosa hanala vela tamin’ny nandresen’ny Ftm azy teo amin’ny famaranana ny Top 6 Océan Indien natao tetsy Mahamasina tamin’ny volana aprily 2019 lasa teo.

Fandaharan-dalao feno eny Andohatapenaka amin’ny alahady 19 janoary :Lalao federaly 2 : 09:00-Afa # Soe ; 11:00-Matadore A # Fbm ; 1/2-dalan’ny Gold Top 20-2019 : 13:00-Cnaps Matsiatra Ambony # TfaAnatihazo ; Cosfa Miaramila # Ftm Manjakaray.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT