Sport

Rugby – FMF Rug Hanao hetsika fanangonana sosonkevitra hanatsarana ny taranja


  • Alakamisy 18 Jona 2015

Isan’ireo hanana travoeva etsy amin’ny lapan’ny tanŕna Analakely mandritra hetsika “Carnaval de Madagascar” ny zoma sy sabotsy ary alahady izao ny Fikambanan’ny mpitantana fileovana rugby (FMF Rug) miaraka amin’ny federasiona malagasy



. Ity fikambanana ity izay tarihin’ny filohany, Ramorasata Crescent Michel moa dia niorina ny volana novambra 2014 ary manana mpikambana 32 avy eto Antananarivo. Ny fikambanana dia manao antso amin’ireo mpankafy ny taranja amin’io zoma sy sabotsy io mba hameno ny taratasy fanangonana sosokevitra eo amin’ny tranoevany. Io taratasy io no ahafahan’ny olona maneho ny hetahetany mikasika ireo olana sy vahaolana ho fanatsarana ny taranja ary harotsaka anaty vata mangarahara. Afaka marihina ao anaty taratasy na tsia ny anaran’ny mpanoratra. Ny fehinkevitra voaray eo dia entina hatolotra ireo rafi-pitantanana isan’ambaratongany toy ny seksiona sy ligy ary federasiona entina hanatsarana ny taranja. Nomarihin’ny fikambanana fa tsy mifaninanana amin’ireo rafi-pitantanana federaly akory izy ireo fa mpiaramiasa ho fiaraha-mikatsaka ny hampandroso ny baolina lavalava. Nambaran’ireo mpitantanana ny FMF Rugkoa fa hetsika nahazo alalana tamin’ny federasiona sy ny ligin’Analamanga izao ataon’ny fikambanana izao.

Rasanda Serge


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT