Sport

Rugby – Fileovana FTMM Morarano Voafidy ho filoha indray i Fafah


  • Alatsinainy 04 Martsa 2019

Tao anatin’ny fifampiarahabana nahatratra ny taona sy fivoriana natao teny Ivandry omaly alahady 3 martsa 2019 ka nanaovana fifidianana birao hitantana indray ny fileovana rugby FTMM (Fikambanan’ny Tanora Morarano Milalao)

 

 

 izay somary natoritory an-taonany maromaro tao ho  ao no nahafantarana  fa lany ho filoha vaovao hitantana an’ity kliobana rugby ity indray Razafiarison François Xavier “Fafah” nahazo vato 50 tamin’ireo mpikambana tonga nanatanteraka ny fifidianana. Manodidina ny 10 ireo mpikambana ao amin’ny birao nolaniana niaraka taminy. Ny hamerina ny laza nananan’ity fileovana ity indray no himasoan’ny birao vaovao. Nambaran’i Fafah tamin’ny fandraisam-pitenenana voalohany nataony fa ny firaisankinan’ireo mpilalao no ilaina ao anaty klioba iray mba hahazoana fahombiazana ary rehefa mitantana klioba koa tsy maintsy manana “Sponsor”. Hankalaza ny faha-15 taona niorenany ny Ftmm amin’ity 2019 ary hifanindran-dalana amin’izany koa ny fankalazana ny faha-15 taonan’ny ABQ (Association des Bas Quartiers) izay fikambanana mpanao rugby tarihan’i Fafah ihany koa. Ny 16 martsa 2019 ho avy izao dia hisy fanompoam-pivavahana sy “Cocktail” hotanterahina ary ny 02 sy 16 aprily 2019 kosa dia hisy ny “Grand Match de rugby” hanamarihana ny faha-15 taona roa sosona

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT