Sport

Rugby – Fifaninanana afrikana Samy nibata fandresena ny Makis vehivavy sy ny Makis U20


  • Alatsinainy 05 Jolay 2021

Tsara ny vokatra ho an'i Madagasikara eo amin'ny fifaninanana amin'ny taranja Rugby izay atao any Nairobi, Kenya. Samy nibata fandresena avokoa ny Makis Séniors Vehivavy sy ny Makis lehilahy U20 tamin'ny lalao

 

 voalohany natao ny sabotsy teo. Teo amin'ny "Rugby Africa Women's Cup" dia nivoaka mpandresy ny Makis Séniors Vehivavy tamin'ny isa 27 - 15 nanoloana an'i Lionesses Kenya. Amin’ny 11 jolay ny fihaonana faharoa hatao ao amin’ny Nyayo National Stadium ao Nairobi. Ny Makis lehilahy U20 kosa dia nandavo an'i Sénégal tamin'ny isa 34-03 ao anatin'ny " Barthès Trophy". Amin’ny 11 jolay ny lalao manaraka hihaonan’i Madagasikara amin’i Kenya, hatao ao amin’ny Nyayo National Stadium ihany koa.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT