Sport

Rugby Fanohanana ny K 25 Lasan’ny XV Family sy Tfma ny 3 tapitrisa ariary avy


  • Alatsinainy 17 Desambra 2018

Tontosa tetsy amin’ny kianjan’i Mahamasina omaly alahady 16 desambra 2018 ireo famaranana tamin’ny lalao Rugby nokarakarain’ny fikambanana Madagasikara Tafaray tarihan’ny

 

 

 

filohany Mbola Joseph Rajaonah niaraka tamin’ny Analamanga Rugby tarihan-dRavelojaona Andry La Pie ka nentina indrindra hanohanana ny kandida Marc Ravalomanana n°25 amin’ny fampielezan-kevitra tanterahana ankehitriny, tonga teny amin’ny kianjan’i Mahamasina nivantana nanolotra an’ireo akanjo filalaovana nomena an’ireo ekipa 8 nandray anjara tamin’ity fifaninanana  ity. Fa satria tsy nisy fidirana ny nijery an’ity hetsika ity omaly dia nisy andiana olona manao ankajon’ny kandida n°13  nitonantonana na nampirisihana ho eny amin’ny kianjan’i Mahamasina omaly ka nisiotsioka ny kandida n°25. Tony anefa ireo mpomba ny n°25 tonga maro teny an-toerana ka tsy namaly ny fihantsiana nataon’ireto andian’olona ireto. Teo  amin’ny voka-dalao famaranana natao omaly kosa dia lasan’ny XV Family Vondrona sy Tfma Ankasina ny lelavola 3 tapitrisa ariary avy natao fanomezana tamin’izany. Ny XV Family nandresy ny Matadorea Andohatapenaka 19-17 ary ny Tfma nandavo ny Uscar 27- 19. Lelavola 2 tapitrisa ariary avy kosa no natolotra an’ireto resy. Samy mbola notoloran’ny Madagasikara Tafaray lelavola sahaza azy koa ireo ekipa resy teo amin’ny manasa-dalana.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT