Sport

Rugby – Famaranana ny Gold Top 20-2019 Hanombola amin’ny 7 ora maraina ny fivarotana tapakila


  • Alarobia 05 Febroary 2020

Noho ny fandaminana napetraky ny Malagasy Rugby hisorohana ny fifanosehana eo am-pidirana dia hisokatra avokoa ireo vavahady miisa

 

 

telo (03) eo amin'ny Kianja Makis Andohatapenaka amin’ny alahady 09 febroary ho avy izao, fotoana hanatanterahana ny lalao famaranana ny fifaninanana Gold Top 20-2019 hifanandrinan’ny Tfa Anatihazo sy ny Cosfa Miaramila. Nomarihan’ny FMR ihany koa miaraka amin’izany fa  amin'ny 07ora maraina amin’io alahady io dia efa hisy ny fivarotana ny tapakila fidirana amin’ny vidiny 3000 ar.

Fandaharan-dalao amin’ny alahady 09 febroary :

09:00 : Ftvl Lalamaty #” Crai Ambalavao Isotry

Ankatoky ny Famaranana sokajy Federal 2

11:00 : Fbm Bemasoandro # Uasc Cheminot

13:00 : Soe Stade # Mang’Art Manjakaray

Famaranana Gold Top 20 sokajy Federal 1

15:00 : Tfa Anatihazo # Cosfa Miaramila

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT