Sport

Rugby faha-15 taonan’ny Tambohobe Omby roa no loka be hiandry etsy Mahamasina


  • Zoma 31 Aogositra 2018

Ho famaranana ny lalao rugby nentina nankalazana ny faha-15 taona niorenan’ny fikambanana Tambohobe miady amin’ny herisetra dia omby roa sy loka lehibe iray no hatolotra ho an’ireo mpandresy etsy amin’ny kianjan’i Mahamasina

 

 amin’ny alahady 2 septambra 2018 izao. Ny iray dia omby hatolotra izay mandresy eo amin’ny sokajy D-1 elite II hifanandrinan’ny Espoir Anjanahary sy ny FTN Nanahazana. Ny faharoa kosa dia omby hatolotra izay mandresy amin’ny lalao famaranana sokajy D-1 elite I hifanandrinan’ny Uscar sy ny XV Family ary ny fahatelo dia loka lelavola be hatolotra izay mandresy amin’ny ala vela hifanandrinan’ny Tfma Ankasina sy ny Tam Anosibe sokajy D-1 elite I. Hialoha ireo rehetra ireo hanomboka amin’ny 9:30 maraina ny “Match Génération” : CEA Andranomanalina # ASA Ambohimanarina. Eny antsefatsefan’ny fihaonana rehetra kosa no hiakaran’ireo mpiantsa vakisôva sehatra ao Mahamasina ao.

 

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT