Sport

Rugby eto Analamanga Manamafy i Andry Ravelojaona fa tokana ihany ny Ligy


  • Zoma 16 Martsa 2018

Mbola nanamafy ny teny nataony Atoa Andry Ravelojaona La Pie fa tokana ihany ny ligin’ny rugby misy eto Analamanga dia izay tarihany ankehitriny izany.

 

Arak any naoty navoakan’ny C.L.E.F na « Commission de Contrôle de Légalité de l’election Féderale » ka nosoniavin’ny SG sy DGS ary ny DSF sy ny DIRJS Analamanga dia tsy manankery ny fahalanian-dRazafimbelo Norbert tamin’ny 6 febroary 2018 teo teny Ivandry koa mangataka ny hiverenan’ny rehetra aty amin’ny ara-dalàna ny tenako, hoy izy, hahazoana mampandroso an’ity taranja ity. Ny filohan’ny Malagasy Rugby kosa, Atoa Rakotomalala Joseph Marcel dia nanitrikitrika koa raha niaraka tamin’ny filoham-pirenena teny Andohatapenaka tamin’ny 9 martsa teo fa handray fepetra marina mikasika ny tsy fanarahan-dalana ataon’Atoa Andry La Pie amin’izay ny Malagasy Rugby. Mbola misavorovoro tanteraka izany ny eo anivon’ity tontolo ity ka mampanontanin-tena ny mpanara-baovao manao hoe : “Dia ho tonga amin’ny fihavian’ny solontenan’ny rafitra IRB iraisam-pirenena hanelanelana koa ve ny amin’ity olan’ny rugby Malagasy ity ?”.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT