Sport

Rugby eny amin’ny kianjan’i Makis Hitohy indray ny fifanintsanana


  • Sabotsy 18 Novambra 2017

Araka ny vaovao marim-pototra azo dia hanatanteraka fivoriambe na AG ny eo anivon’ny tontolon’ny taranja Rugby à XV araka ny fampiantsoana nataon’ny Malagasy Rugby ka ny zoma faha-24 novambra ho avy izao no hanatanterahina izany.

 Mazava loatra fa tsy maintsy handraisana fanampahankevitra ao anatin’izany AG izany izao disadisa misy eo amin’ny fitantanana an’ity taranja be mpankafy eto amintsika ity. Fa eo am-piandrasana izany dia mihetsika indray ny “Comité Technique Fédéral ” tantanan’Atoa Randrianarisoa Rija amin’ny fanohizana ny fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga karakarain-dry zareo eny amin’ny kianjan’i Makis eny Andohatapenaka. Hisy hatrany ny lalao harahina eny amin’ity kianja ity araka izany anio sabotsy 18 novambra 2017 sy rahampitso alahady 19 novambra 2017 araka izao fandaharan-dalao manaraka izao :

 

Anio sabotsy 18 novambra

Vehivavy

8:30- Rosa # XV Beravina

 

Elite Régionale

10:00-Fitamiba # XV Soldat (67 ha)

11:30-Fta # Ftba

Elite Fédérale

13:00-Usa # XV Avenir

14 :30-Cosfa # Jsta

 

Rahampitso Alahady 19 novambra

Elite Régionale

8:30-Asa # Lions

10:00-Mangar’art # Jca

11:30-Scb # XV Blacks

 

Elite Fédérale

13 :00-Ftm # Ikopa

14:30-Stm # Vtma

 

Ntsoavina Evariste


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT