Sport

Rugby-Ekipam-pirenena vehivavy Tafita amin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany


  • Talata 03 Mey 2022

Nanoratra tantara indray ny rugby Malagasy. Tafita any amin’ny fiadiana izay ho tompondaka eran-tany ny ekipam-pirenena sokajy vehivavy,

taorian’ny vokatra tsara azontsika tany amin’ny Africa rugby women’s sevens 2022 notanterahina tany Tunisie ny 29-30 aprily lasa teo. Ranomasom-pifaliana no nandraisan’ireo mpilalaontsika ny fahatafitana amin’ny fiadiana ny Tompondaka eran-tany hatao any Afrika Atsimo ny 9-11 septambra 2022 izao. Laharana faharoa no nisy an’i Madagasikara izay resin’ny Afrikanina Tatsimo tamin’ny moka fohy 14-15, kanefa efa nitarika tamin’ny isa 14-5 isika. Na izany aza, tsy mena-mitahy ny vokatra azontsika, izay nandravarava hatrany am-piandohan’ny fifaninana satria lavontsika 29-05 ny Ganeanina tamin’ny andro voalohany, resintsika 07-05 ny Tonizianina mpampiantrano, izay iray vondrona tamintsika. Nandavo 14-10 an’i Zambie tamin’ny ampahefa-dàlana. Nandraraka an’i Uganda 17-12 tamin’ny manasa-dàlana, ary tany amin’ny famaranana isika vao lavon’ny Afrikanina Tatsimo. Na resy tamin’ny famaranana aza, nampitolagaga ny rehetra ny fahaiza-manaon’ny Malagasy, ary niteny ho azy ny isa azo, fa voan’i Afrika Atsimo tany amin’ny lazon’ady. Ry zareo moa no hampiantrano ny fiadiana izay ho tompondaka eran-tany io, hatao ao Cape Town. Irariana hatrany ny hahombiazan’ny ekipam-pirenena Malagasy.
Toky R
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT