Sport

Rugby « Coupe Analamanga » Lasan’ny XV Family ny lelavola 6 tapitrisa ariary


  • Alatsinainy 16 Aprily 2018

Tsy nandoro ny XV Family, omaly alahady 15 aprily tetsy Mahamasina tamin’ny lalao famaranan’ny “Coupe Analamanga” teo amin’ny taranja Rugby à XV, ny Pilokely Tfa Anatihazo fa niondrika mbola tsy afa-bela indray tamin’ny isa 20-19.

 

 Lasan’ny XV Family araka izany ny amboara sy lelavola 6 tapitrisa ariary raha 3 tapitrisa ariary kosa no azon’ny Tfa. Teo amin’ny sokajy vehivavy kosa dia ny ekipan’ny 3Fb no nibata ny amboara sy ny 1 tapitrisa ariary rehefa nandavo ny Uasc 42-12. Lelavola 5 hetsy ariary kosa no natolotra an’ity farany. Fahombiazana no azo hilazana ny hetsika notanterahina, hoy Atoa La Pie filohan’ny Analamanga Rugby. Ny lalao “Inter-section” hiakarana Ligy izao no hetsika manaraka, hoy izy, ary amin’ny faran’ny volana mey kosa no hanomboka indray ny “championnat Analamanga”. Mbola miantso an’ireo  seksiona mbola tsy mody ato amin’ny ligy aho, hoy Andry La Pie, hitodi-doha aty amin’ny ara-dalàna fa tsy misy afa-tsy Ligina rugby  tokana eto Analamanga dia izay tarihako ankehitriny. Efa milamina tsy misy olana intsony ny fifandraisana eo amin’ny Malagasy Rugby sy ny Analamanga Rugby, hoy izy ho fampandrosoana an’ity tontolo ity.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT