Sport

Rugby « Coupe Analamanga » Etsy Mahamasina ny famaranana


  • Alakamisy 12 Aprily 2018

Noho ny fanajana sy fiaraha-mientana tamin’ny lalao iraisam-pirenena teo amin’ny taranja rugby notontosaina teto amintsika tao ho ao, ny “Top 6 de l’Océan Indien”,

  dia amin’ny alahady faha-15 aprily ho avy izao vao ho tanterahina ny lalao famaranana fiadiana ny “Coupe Analamanga” karakarain’ny Analamanga Rugby tarihan’ny filohany Ravelojaona Andry La Pie na dia efa tamin’ny 11 martsa lasa teo aza no efa vita ireo lalao ankatoky ny famaranana nahafantarana an’ireo fileovana roa hifampitana amin’izany dia ny XV Family nalika ny Tfma Ankasina tamin’izany sy ny Tfa nandavo ny Irc. Noho ny fiaraha-miasa matotra amin’ny CUA dia etsy Mahamasina no hanatanterahana ny hetsika ka ho tolorana lelavola 6 tapitria ariary izay maharesy amin’ny Top 9 raha 3 tapitrisa ariary kosa no homena ny resy. Lelavola 1 tapitrisa ariary sy 4 hetsy ariary kosa ireo miatrika ny Grande Finale vehivavy.

Fandaharan-dalao amin’ny alahady :

Ala Vela

10:00-Tam # Matadore A

Grande Finale Vehivavy

12:00-Uasc Cheminots # 3Fb Fahasalamana

Grande Finale  Top 9

14:00-Tfa Anatihazo # XV Family Vondrona

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT