Sport

Rugby Commission Section Tanà-ville Tsy tontosa ny famaranana sokajy D-2


  • Alatsinainy 24 Febroary 2020

Tsy tontosa ny lalao famaranana sokajy D-2 hoan’ny Commission STVR “Section Tanà-Ville Rugby” saika notanterahina tetsy amin’ny

 

 

 

kianjan’i Malacam etsy Antanimena omaly alahady 23 febroary 2020 satria velona nandritra ny fanafanan-tena nataon’ny fileovana Jra sy Fc Zami ny fifanjevoana teo amin’ireo mpilalao nampian’ny mpomba azy ireo tsirairay avy. Resaka tohin’ady tamin’ny fifanolanana nisy teo amin’ny fihaonana teo aloha nifanandrinan’ny roa tonta tany antoeran-kafa ka nisian’ny mpilalaon’ny andaniny iray naratra mafy mihitsy io savorovoro nitranga omaly io noho ny toerana fanafanan-tena nifanakaika nataon’izy ireo. Nantsoina niditra an-tsehatra mihitsy ny solontenan’ny Malagasy Rugby ka tonga teny amin’ny kianjan’i Malacam omaly ka nanapa-kevitra izahay ny nanafoana ny lalaon’ny roa tonta, hoy ny filohan’ny Commission Rugby Tanà-Ville, Rakotofara Prosper, ary mety hiafara amin’ny sazy hihatra amin’ny fileovana JRA Andranomanalina sy ny Fc Zami Namontana ny raharaha.

Ireo voka-dalao hafa azo teny amin’ny Malacam omaly :

Fimpiruzo Analamanga 20 – 18 Ftn Nanouah    ;   Rcsa Anosibe 14 – 8 Espoir Tsiadana    ;  XV Texas Ambatomainty 05 – 34 Crai Ambalavao     ;   Usa Ankadifotsy 03 – 13 Scb Besarety.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT