Sport

Rugby “Comité Technique Fédérale” Omby 4 no nivoaka teny amin’ny kianja Makis


  • Talata 27 Febroary 2018

Ankoatra ny tetsy Malacam Antanimena dia mitohy ihany koa ny lalao rugby karakarain’ny CTF na “Comité Technique Fédérale” teny amin’ny kinja Makis Andohatapenaka tamin’ny alahady 25 febroary lasa teo.

 

Noho ny fametraham-pialana tamin’ny ora farany tsy handray anjara tamin’ny fifidianana ho filohan’ny ligy farany teo nataon’ny seksion’Atsimondrano sy Avaradrano ary Andrefan’Iarivo ka nahalany an’Atoa Razafimbelo Norbert anefa dia tsy navela hitantana an’ity CTF ity intsony i Rija Randrianarisoa fa ny ekipany sy ny teknisianin’ny Malagasy Rugby no niara-nitantana nanatanteraka an’ireo lalao famaranana 4 natao teny Andohatapenaka tamin’ny alahady 25 febroary lasa teo. Ankoatra ireo amboara natolotra ny mpandresy tsirairay avy tamin’ireo famaranana ireo dia mbola notolorana omby tsirairay avy koa izy ireo. Nambaran’ny “Directeur de competition” eo anivon’ny Malagasy Rugby, Atoa Razanajatovo Lucien René na i Néné fa hita ho tena miakatra ny haavo lentan’ny fifaninanana rehetra na lahy na vavy eny amin’ny fifaninanana ara-dalàna eny Andohatapenaka ary nambarany ihany koa fa amin’ireo mpilalao ao amin’ny fileovana milalao eny Andohatapenaka ihany no hangalana ireo handrafitra ny Makis de Madagascar lahy na vavy amin’ny fotoana ilana azy.

Voka-dalao teny Andohatapenaka tamin’ny alahady teo :

Fiadian-toerana faha-3 hiakarana diviziona rejionaly : Asa  5 – 3 Fba

Famaranana D-2 vehivavy : Scb  9 – 7 Ftvl Lala-maty

Famaranana D-1 vehivavy : Scb  9 – 7 Fta

 

Ntsoavina Evariste

 


 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT