Sport

Rugby - CAN B Nodinganin’i Oganda kely monja i Madagasikara


  • Alatsinainy 13 Jolay 2015

Maty masony i Madagasikara ! Na dia nandresy hatrany aza isika malagasy tamin’ireo lalao telo natrehiny tamin’ny fiadiana ny Amboaran’i Afrika sokajy B tany

 Kampala Oganda dia nodinganin’ity ekipa mpampiantrano ity izay nanana tombony tamin’ny elanelan’ny baolina tafiditra. Taorian’ny efa nandavoan’ny Makis an’ny Botsoaney (36-18) sy ny Ivoarianina (30-26) dia nampiondrika an’i Maorisy tamin’ny isa 33-24 indray ny ekipan-dRazily tamin’ny lalao fahatelo ny sabotsy teo. Marihina fa ry zareo Maorisianina no efa nitarika hatrany tany am-piadohan’ny lalao, 14-9 teo am-pialan-tsasatra ary mbola 21-12 taty amin’ny minitra fah-70. Tsy ela taorian’io no tafarina ny Malagasy ary nitarika 26-24 teo amin’ny minitra fah-75. I Oganda izay nahazo fandresena telo ihany koa ary nanatombo tamin’ny elanelan’ny baolina tafiditra izany no nahazo ny tapakila hiakarana gropy A amin’ny taom-pilalaovana manaraka.

Rasanda Serge

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT