Sport

Rugby Association Les As 38 Rava tsy lera ny fihaonan’ny Ftm sy 3Fb


  • Alatsinainy 18 Jona 2018

Notontosaina teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka feno hipoka mpijery, omaly alahady 17 jona, ireo lalao rugby famaranana ny hetsika nokarakarain’ny “Association Les As 38” tarihan’ny filohany Herisoa Philippe Olivier.

Rava tsy lera teo amin’ny minitra faha-37 ny fidirana faharoa tamin’ny lalaon’ny 3Fb sy ny Ftm Manjakaray noho ny fanapahan-kevitry ny mpitsara tsy neken-dry Ingahindriana raha 30-40 no isa tazana teny amin’ny tabilao. Natolotra an’ity farany, araka izany, ny amboara kalisy lehibe sy ny omby ary ny lelavola  1tapitrisa ariary niaraka taminy raha notolorana 1 tapitria ariary kosa ny 3Fb. Ny omby faha-2 natolotra teny Andohatapenaka kosa dia lasan’ny Ftma Ankasina nandresy ny Fta Anatihazo 27-23 niaraka tamin’ny kalisy ny lelavola 1 tapitrisa ariary ihany koa. Nahazo 1 tapitrisa ariary ihany koa ny Fta Andavamamba tamin’izany. Tafitan’ny “Association Les As 38” ny fanamby napetrany dia ny fampiraisana ny tontolon’ity baolina lavalava ity izay mbola ao anaty savorovorom-pitantanana ankehitriny fa tena nahita lalao niady dia niady tokoa ny mpitia baolina lavalava tamin’io omaly alahady 17 jona io.

Ireo vokatra hafa azo omaly alahady 17 jona :

Bemasoandro Itaosy 21 – 03 Espoir Anjanahary (D-2)

Htam 08 – 13 Ftn  Nanouah (D-2)

Ftm 15 – 08 3Fb (vehivavy)

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT