Sport

Rugby Association Les As 38 3Fb, Tfma, Tfa ary Ftm no hiatrika ny famaranana


  • Alatsinainy 04 Jona 2018

Nikarakara lalao rugby teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka omaly alahady 03 jona 2018 ny fikambanana mpikarakara hetsika ara-javakanto ny “Association Les As 38” tarihan’ny filohany Herisoa Philippe Olivier.

 

 Nambaran-dry zareo teny Andohatapenaka tamin’io omaly io fa ny tanjona nokendren’izy ireo tamin’ity hetsika ity dia ny hampiroboroboana ifotony ny taranja rugby ary koa ny hanehoana ny firaisan-kinan’ny fileovana rehetra manoloana ny disadisa iainana eo  anivon’ity tontolo ity. Izany no nampifandonana ireo fileovana D-1 elite I milalao eny amin’ny kianja Malacam Antanimena sy ireo izay milalao eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. An’ny “Association Les As 38” manontolo ny fikarakarana ny hetsika fa tsy misy hidiran’ny Malagasy Rugby velively fa fangatahana alalana fotsiny no nalefa tany amin’ity rafitra ity, hoy izy ireo. Ny fileovana Ftm Manjakaray irery no nandresy teo amin’ny kianja hilalaovany ka hifampitady amin’ireo fileovana milalao eny Antanimena dia ny 3Fb, Ftma ary ny Fta araka ny vokatr’ireo lalao 1/2-dalana azo omaly : 3Fb 38 – 22 Jsta  :  Tfma 29 – 26 Stm  ;  Tfa 27 – 16  Cosfa  ; Ftm 9 – 6 Uscar.

Amin’ny alahady 17 jona 2018 ireo lalao famarana roa no ho tanterahana ka 3Fb # Ftm andaniny ary Tfma # Tfa ankilany.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT