Sport

Rugby – Analamanga “Tsy mbola tapaka ny fanafoanana ny Top14”, hoy Rakotomalala Feno


  • Talata 29 Septambra 2015

Namaly bontana Rakotomalala Feno, filohan’ny ligin’Analamanga misahana ny rugby mikasika ny filazana fa hofoanana ny Top14 sy Top8 ary hatambatra ho fifaninanana tokana.

 


 
Nanipika ny tenany fa tsy mbola tapaka ny mikasika an’io. Nisy tokoa ny fihaonana tamin’ny filoha federasiona sy Jean Luc Barthez tomponandraikitry ny World Rugby misahana fampandrosoana aty Afrika ary Berthin tao amin’ny foiben’ny federasiona fa tomban’ezaka no nifampiresahana tao. Nolazainy tamin’io fa tokony hatambatra iray ny fifaninanana eto Madagasikara, ny fahitany azy izay fa tsy hoe efa tapaka akory izany fa mbola mila hifampidinihana. Tsy ny tenako sy ny filohan’ny federasiona irery akory no tompon’ny rugby eto fa misy ireo teknisianina maro be. Sady efa hifarana ny fotoam-pitanatananay ka tsy izahay no hamaritra ny fandaharan’asa ho an’ny olona ho lany amin’ny taona 2016”. Nisy, hoy ny filohan’ny ligy, ny vokatra tsara azo tamin’io Top14 io. Nahitana taninketsa maro io na mpilalao na mpitsara, be dia be ny ankizy nivoaka tamin’io. Raha tena te hampandroso ny taranja dia ny fotodrafitrasa, fiofanana, fifaninanana no tokony hampiana, izao ity hiverin-dalana indray ve ? Amin’ny maha nosy antsika dia ny fiatrehana fifaninanana iraisam-pirenena no tokony hanampian’ny iraisampirenena antsika. Ireo ho lany vaovao eo no mila miady hevitra mikasika izay hampandrosoany ny rugby satria efa ho tapitra ny fotoam-pitantananay.


Rasanda Serge

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT