Sport

Rugby Analamanga Mitohy ny fifanasana vangy


  • Alatsinainy 18 Septambra 2017

Mitohy hatrany ireo fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga 2017 eo amin’ny taranja rugby à XV ho an’ny fifaninanana eny amin’ny kianjan’i Makis Andohatapenaka notontosaina ny sabotsy sy omaly alahady.

Toy izao ny vokatra :  Nanoowah 14 – 3 Afa, XV Black 13 – 12 Balami, Fbm 13 – 3 Lion, Rosa 18 –  16 Tam 67 ha, Tarea 12 – 10 Soldat, Ftm 49 – 03 XVAvenir, Stm 39 – 30  Uirc, 3F 5 16 – 50 Jsta, Ikopa 15 – 36 Cosfa.  Tahaka izay koa ny fifaninanana etsy amin’ny kianja  Malacam Antanimena. Toy izao ny vokatra : Ftat 08 – 09 Csa, Uasc 41 – 11 Matadore A, XV Family 21 – 21 Soe, Tfma 20 – 11 Tfa, 3Fb 25 – 26 Irc. Tao anatin’ity lalao tetsy Antanimena ity no nanambaran-dRabera filohan’ny seksion’ny rugby eto Antananarivo fa henon’izy ireo indray ny fikasana handrava ny lalao eny Andohatapenaka sy eny Malacam kasain’ny tarika avy eny Andohatapenaka  hatao. Ireo seksiona 3 miara-dia amin’ny Malagasy rugby (Avaradrano, Atsimondrano, Andrefan’Iarivo) no tena nahatonga ny savorovoro, hoy izy.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT