Sport

Rugby Analamanga Lavon’ny TAM Anosibe tamin’ny moka fohy ny TFA Anatihazo


  • Talata 03 Oktobra 2017

Nitohy araka ny mahazatra tetsy amin’ny kianjan’i Malacam Antanimena ireo lalao tafiditra amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga eo amin’ny taranja rugby à XV taona 2017.

 

 Raha nazava ny fandresen’ny 3Fb ny ekipan’ny Matadore A 38 – 24 tamin’ny lalao voalohan’ny Elite I dia rava 3 minitra nialohan’ny kimpantsona famaranana kosa ny lalaon’ny Tfma sy ny  Uascheminot tompon-jaridaina noho ny tsy fankatoavan’ny mpilalao iray ny fanapahan-kevitry ny mpitsara ka nitrangan’ny savorovoro tamin’izany lalao izany. Nitarika 27 – 21 ny Tfma tamin’izay. Resin’ny Tam Anosibe tamin’ny moka fohy 23 – 21 kosa teo amin’ny lalao farany izay nifandanja sy nampitaintaina hatramin’ny farany ny Tfa Anatihazo.

Vokatry ny Elite I natao ny alahady 01 oktobra : Aska Andravoahangy hazo 9 – 16 Tfma Andavamamba  ;  Aigle Vert 17 – 09 Dragon Rouge.

 

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT