Sport

Rugby Amboaran’ny Ben’ny tanànan’Iarivo Tsy tonga niatrika ny lalao ny FTM Manjakaray


  • Alatsinainy 13 Aogositra 2018

Nanomboka omaly alahady 12 aogositra 2018 tetsy amin’ny kianjan’i Mahamasina ny lalao rugby à XV fiadiana ny Amboaran’ny Ben’ny tanànan’Iarivo andiany voalohany.

 

Manasa-dalana 3 no tontosa tamin’izay ary manasa-dalana iray kosa no tsy tontosa noho ny tsy fahatongavan’ny fileovan’ny Ftm Manjakaray izay nanao fanekena mazava ny handray anjara amin’ity fifaninanana ity nefa noho ny tsindry nahazo azy ireo avy amin’ny mpitantana ny Malagasy Rugby izao nikarakara lalao « coupe du président » teny Andohatapenaka koa tamin’io omaly alahady io ary nampiakatra ny fileovana Ftm an-kianja tamin’izany ihany koa. Naneho ny halahelony sy fahasosorany ny mpitia rugby maro teny Mahamasina omaly ka maro ny niray feo fa efa manao sangy mihoatra ny loha ity filohan’ny Malagasy Rugby ity ka tsy mendrika ny hitantana intsony an’ity taranja ity. Hitohy amin’ny alahady 19 aogositra izao ity amin’ny fiakaran’ireo boaty an-tsehatra ity fifaninanana ity na izany aza. Nisongadina ny fampiasana « arbitrage vidéo) tamin’ity fifaninana ity.

 

Vokatra teny Mahamasina omaly :

1/2-famaranana GA - Tfma Flesy – Tam Anosibe (21-16)  ;  XV Family Vondrona – Ftm Manjakaray (+28-Forfait)

1/2-famaranana GB – Matadorea Anosipatrana – Ftat Anosibe (41-17)  ;  Jsta Ambondrona  – Fta Anjanahary (31-10)

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT