Sport

Rugby Amboaran’ny Ben’ny tanàna Raikitra ny andiany voalohany


  • Alarobia 01 Aogositra 2018

Araka ny fanazavana nomen’ny tanànan’Antananarivo notarihan’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana ny mpanao gazety tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely omaly talata 31 jolay 2018 dia hotontosaina etsy amin’ny kianjan’i Mahamasina ny 12 sy 19 ary 26 aogositra 2018 izao ny andiany voalohany amin’ny “Amboaran’ny Ben’ny tanàna” eo amin’ny taranja rugby à XV.

 

 Natao indrindra hitaizana ny tanoran’Iarivo tsy hirona any amin’ny fidorohana zava-mahadomelina no anton’ny hetsika araka ny fanazavana azo tetsy Analakely. Ny 12 aogositra dia hisy lalao ankatoky ny famaranana 4 be izao hotontosaina ho an’ny D-1 elite I. Ho an’ny Vondrona A dia ahitana ny fihaonana :   Fta Anjanahary # Jst Ambondrona ; Ftat Anosibe  #  Matadore Anosipatrana. Ho an’ny  Vondrona B kosa :Tam Anosibe #  Ftma Flesy ; Ftm Manjakaray # XV Family. Ny 19 aogositra dia lalao ady boaty sy rugby vehivavy no hotanterahina ary ny 26 aogositra 2018 dia ireo lalao  famaranana rehetra.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT