Sport

Rugby Amboaran’ny Ben’ny tanàna Lavon’ny Uscar 26 -23 ny 3fb


  • Alatsinainy 20 Aogositra 2018

Nitohy tetsy amin’ny kianjan’i Mahamasina tamin’ireo lalao fihantsiana 4 notanterahina omaly alahady 19 aogositra ny fifaninanana rugby à XV fiadiana ny Amboaran’ny Ben’ny tanànan’Iarivo andiany voalohany.

 

 Nisongadina tamin’izany ny nandavoan’ny ekipan’ny Uscar Fivondronana 26-23 ny 3Fb Fahasalamana teo amin’ny fihantsiana ady boaty. Nampiseho ny heriny amin’ny efa nahela nietezana azy teo amin’ny sokajy vehivavy kosa ny Fanjan’Anjanahary nandavo ny vehivavin’ny Tam Anosibe 44-13. Marihana fa amin’ny alahady 26 aogositra 2018 izao no hanatanterahana an’ireo lalao famaranana hamaranana an’ity fiadiana ny Amboaran’ny Ben’ny tanànan’Iarivo ity.

Vokatra feno teny Mahamasina omaly :

Sokajy vehivavy : Fanja Anjanahary 44 -  13 Tam Anosibe

Sokajy D-1 : Ftat Anosibe 24 – 08 Vtma Antsalova  ;  Uasc Cheminot 34 – 09 Soe

Sokajy D-1 Boaty : Uscar Fivondronana 26 – 23 3Fb Fahasalamana

 

Ntsoavina Evariste


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT