Sport

Rugby Amboaran’ny Ben’ny tanàna 2018 Milamina ny fanatontosana ny famaranana amin’ny alahady izao


  • Zoma 24 Aogositra 2018

Nambaran’ny talen’ny kolontsaina sy ny fiainam-pirahamonina eo anivon’ny CUA “Kaominina Antananarivo Renivohitra”, Andriamisa Raminohe Patrick,

fa ho raikitra tsy misy tomika fa efa milamina tsara ny hanatontosana an’ireo lalao famaranana ny fifaninanana rugby fiadiana ny amboaran’ny Ben’ny tanànan’Iarivo 2018 etsy amin’ny kianjan’i Mahamasina amin’ny alahady 26 aogositra ho avy izao satria efa mazava sy eo am-pelatanana ny fahazoan-dalana hanatanterahana ny hetsika avy amin’ny Malagasy Rugby sy avy amin’ny Analamanga Rugby. Nezahana hatrany ho tao anatin’ny ara-dalàna no nanatontosan’ny CUA an’ity fifaninanana ity, hoy izy,  fa tsy nisy fombana an’iza na iza. Marihana fa hisy fizarana mari-pankasitrahana ho an’ireo nahavita be teo amin’ity tontolo ity amin’ny alahady 26 aogositra.

Fandaharan-dalao manontolo amin’ny alahady  :

Lalao fihantsiana sokajy vehivavy

08:00-Balamy Andavamamba  # Rosa Club Antohomadinika

08:45-Matadorea Anosipatrana # Uasc Cheminots

Lalao famaranana Amboaran’ny Ben’ny tanàna elite I

10:00-Jsta Ambondrona # Matadorea Anosipatrana

12:30-Tfma Ankasina # XV Family Manarintsoa  Isotry

Lalao fihantsiana sokajy vehivavy

14:00-3Fb Fahasalamana # Jsm Mahamasina

Lalao fihantsiana D-1 elite 1

15:00-Tfa Anatihazo # Ftm Manjakaray

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT