Sport

Rugby – Amboaran’ny filoha Hanao famaranana ny TFA sy FTM


  • Alatsinainy 15 Jona 2015

Fantatra omaly taorian’ny manasadala natao teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ireo fileovana roa hiady ny famaranan’ny fiadiana ny Amboara’ny filoha ary handimby ny IRC tompon’anaramboninahitra.

Tafita hihaona amin’io famaranana io ny TF Anatihazo sy FT Manjakaray tompondakan’ny Top-14. Ny TFA dia nanilika an’ny TFMA tamin’ny isa 19-12 tamin’ny manasadalana ary ny FTM nampiondrika an’ny UASC tamin’ny isa 35-27. Hiady ny lah-3 izany ny Boaikely manohitra sy Besetroka. Toy izao kosa ny vokatr’ireo fiadian-toerana. Ny IRC nampiondrika an’ny Cosfa tamin’ny isa 47-44 efa tany amin’ny fanalavam-potoana raha nisaraka 37-37 ny roa tonta hatreo amin’ny fe-potoana ara-dalana. Tetsy ankilany ny 3FB nandavo an’ny STM 31-29. Ry Ngahindriana izay nampijoro ireo mpilalaony tanora ankoatra an’i Rija mpitsara fahadisoana.  Hiady ny lah-3 izany ny 3FB sy IRC ary hiady ny lah-5 ny STM sy Cosfa. Hisy koa ny 11-12 jolay izao ny fiofanana ho an’ireo mpitsara ka eny amin’ireo seksiona efatra, ny ligin’Analamanga ary ny federasiona ny fioratana anarana.

Rasanda Serge

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT