Sport

Rugby – Amboaran’ny filoha Hanala vela amin’Anatihazo i Manjakaray


  • Zoma 19 Jona 2015

Lalao goavana efatra no hatao eny Mahamasina sady famaranan’ny fiadiana ny amboaran’ny filoha andiany fah-55 sady fanokafana ny fah-110 taonan’ny rugby malagasy.


Hiditra amin’ny andiany fah-55 ny famaranan’ny fiadiana ny amboaran’ny filoha izay hatao ny alahady izao etsy amin’ny kianjan’i Mahamasina, izany hoe niarateraka tamin’ny fahaleovantena malagasy. Efa tafiditra amin’ny fanokafana ny fankalazana ny fah-110 taonan’ny rugby malagasy koa anefa izany. Sambany no samy ekipan’ny kartie no hiady ny famaranan’ity fifaninanana nasionaly ity izay hifandonan’ny TF Anatihazo, ekipan’ny Fir-I sy ny FT Manjakaray, ekipan’ny Fir-V. Marihina fa famaranana famerenana ny adin’ny kartie tamin’ny fiadiana ny amboaran’ny oseana indiana izy io ka ny Pilo kely no tafavoaka nandresy tamin’izany raha tsiahivina. Ireo kartie roa ireo rahateo no mananan mpanohana be indridnra eto amintsika.

Hialoavana lalao fiadian-toerana telo io famaranana io ka hanokatra ny fotoana ny fiadiana ny lah-7 hihaonan’ny samy boaty; Cosfa sy Savony, harahin’ny lalao ady boaty fiadiana ny lah-5 hifanandrinan’ny 3FB sy IRC. Amin’ny 12 ora sy sasany no hanaovana ny fiadiana ny lah-3 hifandonan’ny TFM Ankasina sy Besetroka. Ny vokatra eo indray no hamoahana ny filaharan’ireo ekipa sangany eto Madagasikara taorian’ny Top-8.
“Nasiana saram-pidirinana maivana; 1000 ariary ny ‘gradin’, 3000 ariary ny ‘lateral’ ary 5000 ariary ny ‘central’, tsy toy ny andiany teo aloha satria adin’ny kartie io ka azo antoka fa ho marobe ireo mpijery avy amin’ireo tanana isan’ny manana mpanohana be indrindra eto amintsika. Mba hanatsara ny lafiny fikarakarana no antony tsy nanaovana azy maimaimpoana” hoy ny filohan’ny federasiona malagasy, Rakotomalala Joseph Marcel
Nomarihin’ity farany koa fa hahazo loka avokoa ireo mpandray anjara rehetra, tsy toy ny tamin’ny taon-dasa. Nangaina fotsiny mantsy raha tsiahivina na ny IRC, ekipa tompon’amboara aza. Isan’ny handray anjara amin’ny hetsika ‘Carnaval de Madagascar’ ny faran’ny herinandro izao etsy amin’ny lapan’ny tanana Analakely koa ny federasiona. Ankoatra izay ny hetsika ‘Get into rugby’ izay fampianarana sy fampisehoana ny taranja rugby ho an’ny zazavavy eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny sabotsy izao.

Rasanda Serge

Fandaharandalao: 8:00-Cosfa#STM, 10:00-3FB#IRC, 12:30-TFMA#UASC, 2:30-TFA#FTM

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT