Rugby - Amboaran'i Afrika

Nandresy Ladies Makis, Cameroun indray ny manaraka


  • Alatsinainy 06 Mey 2024

Feno ny fety ho an'ny baolina lavalava ny sabotsy teo teo Andohatapenaka.

Hipoka ny olona ary feno dia feno ny hafaliana fa nandresy ny Kenya ny Ladies Makis.Sahirana teo am-boalohany ihany anefa ry Fenitra sy ny namany satria tena nanindry ny Kenya.Saika tao amin'ny tanin'ny Malagasy no nilalaovana nandritra ny antsasakadiny voalohany ary efa nitarika 12 noho 0 azy i Kenya vao nifoha tamin'ny torimasony ny Makis. I Olivia no nanindry ny baolina voalohany ary dia iny no nitarika nitondra hatrany amin'ny fandresena izay tsy njtsahatra raha tsy 29 noho 22. Mila mandresy ny Kamerone izany ny Ladies Makis raha te ho eo amin'ny laharana faharoa izay mandray anjara amin'ny fiadiana ny Amboara eran-tany eo amin'ny diviziona faharoa hatao any Durban . Ny voalohany kosa dia hiady ny tompondaka eran-tany any Angletera ny taona 2025. Toerana izay ho sarotra ho an'ny Makis no maka aza satria tena mafy ny Afrikanina tAtsimo izay hidona aminy mandritra ny andro fahatelo. Nahita ny tsy fahita aza ny Kamerone ny sabotsy teo fa resin'i Afrika Atsimo tamin'ny isa tena mavesatra 55 noho 0.Tena mafy izy sady manana aina, ary efa mipetraka ho fahazarana ho an'ireo mpilalao ny tekinika avo lenta.Hitohy ny alarobia izao moa ity fifaninanana ity ka ny Kamerone indray no hihaona amin'ny Ladies Makis. I Kenya kosa no hifandona amin'ny Afrikanina tatsimo.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT