Sport

Rugby Africa Women’s Cup 2019 Deraina ny finiavan’ny XV Makis vehivavy, hoy ny kapiteniny


  • Alakamisy 22 Aogositra 2019

Nifarana tamin’ny lalao nifanandrinany tamin’ny Lady Cranes Ougandey tao amin’ny kianja “Stadium Brakpan” tamin’ny sabotsy 17 aogositra 2019 teo ny lalao natrehan’ny XV Makis vehivavy

 

 

Malagasy tamin’ny nanatrehany ny fiadiana ny Amboaran’i Afrika vehivavy eo amin’ny taranja rugby à XV andiany voalohany ka nahazoany ny laharana faha-3 tamin’ny fifaninanana rehefa nanao ady sahala 15 - 15 tamin’io lalao farany nataony io. Deraiko manokana ny mpilalao Malagasy niaraka tamiko  niakatra kianja niatrika ny andrarezina Ougandey tamin’io lalao farany io, hoy i Laurence Rasoanandrasana kapitenin’ny Makis vehivavy tany Afrika Atsimo. Tena nampiseho finiavana sy fahavononana tokoa ny handresy an-dry zareo Ougandey izy ireo  ka nanohitra hatramin’ny farany na dia nahery vaika aza ny totoafo nataon’ity farany tao anatin’ny 10 minitra  faran’ny lalao. Izahay anefa mbola vao eo am-pandaminana ny fiarahan’ny mpilalao  manontolo izay vao sambany daholo niatrika lalao Afrikanina. Azo ambara fa nahazo lesona sy traikefa maro izahay tamin’iny fifaninanana iny na  dia nikoropaka sy be aza ny tsy  fanarahana toromarika nataon’ny  mpilalao tamin’ny ankapobeny.

Ny ekipam-pirenen’i Afrika Atsimo nandresy ny vehivavy Kenianina 39-0 teo amin’ny lalao famaranana no nibata ny Amboaran’i Afrika rugby vehivavy andiany voalohany.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT