Sport

Rugby- Africa Sevens Nangoron-damba ny Makis


  • Alatsinainy 18 Septambra 2023

Nosakanan’ny Burkinabe ny lalana ! Tsy tafita any amin'ny Lalao Olaimpika 2024 any Paris ny Makis Malagasy.

Izay ny vokatra avy any Zimbabwe nandritry ny faran’ny herinandro teo. Nanao be fiavy anefa ny Makis tamin'ity taranja lalaovin'olona fito izay tarihin'ny mpanazatra Eric Chef. Nopotehiny 40 noho 5 ny avy any Côte d'Ivoire ary tsy nanana''ny Malagasy antra koa ny Tonizianina fa nofelahany mafy tamin'ny isa 43 noho 5. Saingy dia tapitra teo ny fampisehoana satria dia ny Afrika Atsimo no niray vondrona ka nataony nahita an'i Jakoba tamin'ny isa 35 noho 14. Tody teo aminlny ampahefa-dalana ihany fa dia nidona tamin'ny rindrina indray ry Sitraka sy ny namany. Resin'ny Zimbabwe tamin'ny isa 26 noho 10. Ary rehefa tsy nety toy izany izy dia nisy voay hatramin'ny ranovola. Efa nitarika 19 noho 10 ny Makis teo amin'ny fiadiana toerana saingy voan'ny donaka angamba fa dia nijanona teo ny isa fa i Burkina Faso indray no nandresy taminlny ora farany 24 noho 19. Tapitra teo izany ny nofinofy hoe handeha any Paris amin'ny Lalao Olaimpika. Tsy dia tena lavitra anefa fa amin'ny saina tsy miangatra dia tokony Afrika Atsimo sy Zimbabwe ary Namibia ihany no tokony ho eo alohantsika. Mila manampy kely fotsiny eo amin'ny vovokaina dia ho lasa. Ho sarotra anefa izany raha mbola misakafo ambany foitra. Tsy afaka manoatra anefa raha mbola sandaina telo arivo ariary ny kilaon'ny vary.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT