Sport

Rugby à XV Tompondakan’i Madagasikara ny FTM Manjakaray


  • Alatsinainy 29 Janoary 2018

Norombahin’ny fileovan’ny FTM Manjakaray ny anaram-boninahitra, tompondakan’i Madagasikara 2017 eo amin’ny taranja rugby à XV. Lavony tamin’ny isa mazava 44-20 omaly alahady 28 janoary 2018 tetsy amin’ny kianja Mahamasina tamin’ny lalao famaranana ny fifaninanana Gold Top 8 2017.

 

 Hipoka olona indray teny an-toerana omaly. Ankoatra ny kalisy lehibe sy ny omby natao amboara tamin’ity fifaninanana ity sy ny fanolorana medaly volamena tsiraray an’ireo mpilalao sy mpanazatra dia norombahin’ny FTM ihany koa ny vola 2.000.000  ariary   avy amin’ny Gold Star sy ny 10.000.000 ariary avy amin’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina. Ny minisitra eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika misahana ny tetikasan’ny filoham-pirenena, ny fanajariana ny tany ary ny fampitaovana, Ramanantsoa Benjamina no nisolotena an’ity farany ka nanolotra ny amboara sy ny lelavola ho an’ny FTM notronin’ny minisi-panjakana 2 hafa sy ny mpanolotsain’ny prezidansa 1 ary Senatera 1. Amboara kelikely sy medaly volafotsy ary omby iray ihany koa no natolotra ho an’ny fileovana Cosfa tompondaka lefitra niampy ny taratasim-bola 6.000.000 ariary avy amin’ny filoham-pirenena. Medaly alimo sy taratasim-bola 500.000 ariary kosa no azon’ny fileovana USA Ankadifotsy nitana ny laharana faha-3 tamin’ity fifaninanana ity. Ny fileovana JSTA Ambondrona no nandrombaka ny amboara “Fair Play” an’ny Gold Top 8 2017. I Max avy ao amin’ny COSFA no voahosotra mpilalao mendrika indrindra ary i Koroka FTM no voahosotra ho mpilalao nahatafiditra baolina be indrindra (57 points). Samy notolorana lelavola sahaza azy avokoa ireo ekipa laharana faha-4 ka hatramin’ny faha-8 ary nisy baolina rugby 100 nozaraina ho an’ireo fileovana rehetra.

Voka-dalao rehetra tetsy Mahamasina omaly 28 janoary

Ascb 10 – 05 Ftfa  ;  Usa 20 – 14 Stm  ; Ftm 44 – 20 Cosfa

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT