Sport

Rugby ŕ XV seksiona Andrefan’Iarivo Fantatra avokoa ireo hiatrika ireo lalao famaranana


  • Talata 15 Desambra 2015

Mbola misy hatrany hatramin’izao ireo mpijery lalao baolina lavalava tsy mahatsindry fo manana fo tony rehefa misy faharesen’ny ekipa tohanany fa na miakatra eny an-kianja manakorontana ny

sain’ireo mpilalao izy ireo na miakatra eny amin’ny tribune hitobian’ireo mpitsara lalao tahaka ity niseho tamin’ny alahady teo ity taorian’ny fihaonan’ny XV Avenir sy ny Rcam 11-10 (D1 elite II). tsy nanaiky mihitsy izy ireo raha tsy nanala ny fony tamin’ny fihogahogana ny mpitsara ny lalao izay nambara fa niangatra hoan’ny ekipam-pandresy. Tena naharary noho io faharesen’ny ekipany tamin’ny moka fohy io ny mpanohana ny Rcam tamin’ny ankapobeny. Fantatra fa mbola tsy tena mipaka tanteraka any amin’ireo mpijery ireo lalàna nasiam-piovana eo amin’ity taranja ity ka manahirana amin’ny fomba fijery ny fitsarana ny lalao izany, hoy ny fanamarihana azo  teny an-toerana. Ny faha-27 desambra izao no hanatanterahana ireo lalao famaranana raha tsy misy ny fiovana amin’ny ora farany hoy ny mpikarakara.

Voka-dalao feno nysabotsy sy alahady :

Ftlm 12 - 5 Rose Mainty   ;   Black Rose 27 - 3 (D3)    ;       Oma 29 - 3 Ttm    ;   Tpa 16 - 15 Ftma 16-15 (D-2)    ;  Asa 27 – 25  XV Black     ;   XV Avenir 11 – 10 Rcam.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT