Sport

Rugby à XV Mitohy ny disadisa


  • Alakamisy 07 Septambra 2017

Tsy mbola miravona ny disadisa misy eo amin’ny tontolon’ny rugby Malagasy.

Fantatra ankehitriny, araka ny  taratasy « Attestation de fonction » navoakan’ny filohan’ny Malagasy Rugby tamin’ny 21 aogositra 2017 teo fa notendrena hitantana ny andraikitry ny « Comité Technique  Section rugby Tanà-Ville » ny olona 6 mirahalahy tarihan-dRakotondrafara Jean Herinaina na i Naina Be mpitarika ny fikambanan’ny rugby eny amin’ny faritra iva izay nanambara fa tsy miditra amin’ny olana misy  eo amin’ity tontolo ity fa vonona kosa hampandroso ny lalao rugby eny ifotony amin’ny ankapobeny. Isaky ny sabotsy sy alahady ireo  lalao karakarain-dry zareo no hatao.

Omaly alarobia 6 septambra koa teny amin’ny kianjan’ny Makis Andohatapenaka dia nampiaka-peo indray ireo filohana seksion’ny rugby 4 eto Analamanga, mbola nanamafy ny fahadisoana nataon’ny filohan’ny Analamanga Rugby, Ravelojaona La Pie, nanoloana ny rafitra federaly izay hiankinany ka nanapa-kevitra izy ireo araka ny taratasy nalefany tany amin’ny DRJS Analamanga (kopia tany amin’ny ministerany spaoro sy com ary fmr) fa mametraka fitsipam-pitokisana an’ity filohan’ny Analamanga Rugby ity izy ireo ka mangataka an’io Drjs io handray ny andraikiny hampiato ireo lalao mbola karakarain’ny Analamanga Rugby sy hampanao fifidianana filohan’ny ligy vaovao. Nanome 15 andron’ny ministeran’ny tanora sy fanatanjahantena koa ry zareo handaminany ity raharaha ity fa raha tsy izany dia ireo hiakatra ho eny Ambohijatovo ireo mpitia rugby marobe.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT